You are here: home > Tononkira > AKON'NY FAMONJENA

Miantso anao (AKON'NY FAMONJENA)

Fiv:
Miantso anao izahay namako
'Ndao hiaraka hihira aminay
Fo falifaly no 'ndao handraisana ny Tompo
Arahaba Ianao ry Ray
Arahaba Ianao ry Ray
Arahaba Ianao ry Andriamanitray


Mampaka-peo ny zanakao
Miantso ny anaranao
Miondrika sy mitalaho
Fa lehibe tokoa Ianao
Teraka ho anay Ianao
Maty ho anay Ianao
Koa dia mijoro eto itononkira.serasera.orgzahay midera anao


Anio ny andro hafaliana
Hiarahabana Anao
Ry Tomponay ne fitia
Tahio izahay zanakao
Teraka ho anay Ianao
Maty ho anay Ianao
Koa dia mijoro eto izahay midera anao.


Anio no fotoana hiarahana
Mivavaka aminao
Avela ny fahafinaretana
Fa lehibe tokoa Ianao
Teraka ho anay Ianao
Maty ho anay Ianao
Koa dia mijoro eto izahay midera anao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AKON'NY FAMONJENA
Mpamaky : 161
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tannerk_Ystaf
Tamin'ny : 29/01/2019 10:16:50
ID : 11335

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo