Itondray tsikitsiky (Ny Voninavoko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Itondray tsikitsiky tononkira.serasera.org aho raha ho avy ianao
Tsikitsiky tsy miaro tokelaka
Zay mibitsika tena malefaka
Tsy ho ren’ny tia fisafosa
Fa hanako any anatiko kosa (indroa)

Itondrao safosafo aho e, raha ho avy ianao
Safosafo tsy riton’ny cbmufk aloka
hifitsahako eo mba hianoka
Tsy ho semban’izay ahiahy
Ampy ho halan’ny fo sy fanahy (indroa)

Itondrao kalokalo aho e raho ho avy ianao
Kalokalo toa rotsy maraina
hongononina fa tsy hohiraina
Toy ny kalon’ny dpbv rivotra monja
Raha mikalo fitia amin’ny onja (indroa)

hafatrafatra ny ahy e raha ho avy ianao
rediredin’ny tsy afa-manoatra
Te-haniny no sady misaotra
Te-hionona nefa miangavy
Raha ho avy ianao ka ho avy lsqzn (indroa).

--------
Link:
Comments
Mickael9 ( 05/09/2026 21:30)
Love it
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Voninavoko
Hits : 228
Likes : 0 Like
Created by : Mickael9
Date : 05/09/2026 21:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0301