Zanak'Iarivo (Ny Voninavoko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mba mankany Iarivo any ianao
Ka mijerijery ny zava-baovao,
marimariho ny ohatr'izao.

Manao diabe toa fody amin'ny vary,
Jenitra tahakan'ny hoalain-tsary
Manindra tsy taitra na rotitra akory,
Arahiny tsiky dia hita mitory fa hoe:

Zana-kalo any ireny na hoe
zana-javatra angamba na hoe
zana-baratra no azo hilazana azy koa
Satria tandra vadin'ny hoditra ny azy ary tena nomen-janahary
mba ho voninkazon'ny zava-boahary.

Raha mba mankany Iarivo any ianao
Ka mijerijery ny zava-baovao,
marimariho ny ohatr'izao.

Depuis tout ma vie
Je n’ai jamais eu de soucis
Sortir la nuit
Seulement cette fois ci
A mon père m’a dit
Tu n’iras pas la nuit
J’ai fait des bla blo bli
Et lui il a souri, alors oui cette fois ci
A peine sortie je couru dans la rue
Après mes amies

Zanak'Iarivo reny raha tsy fantatrao e,
zanaky ny andro sy ny fomba vaovao.

zaitram-pitafiany sy ny taovolo ny azy e,
sarotra amintsika ny hitantara sy hilaza.
Misy misavoana toa vohitr'i Babay,
misy koa naholana hianjera ranoray
Ny sori-bolontsika, soritana amin'ny fiofy
kely sisa dia lasa nofy.

Raha mba mankany Iarivo any ianao
Ka mijerijery ny zava-baovao,
marimariho ny ohatr'izao.

Manao diabe toa fody amin'ny vary,
Jenitra tahakan'ny hoalain-tsary
Manindra tsy taitra na rotitra akory,
Arahiny tsiky dia hita mitory fa hoe:

Zana-kalo any ireny na hoe
zana-javatra angamba na hoe
zana-baratra no azo hilazana azy koa
Satria tandra vadin'ny hoditra ny azy ary tena nomen-janahary
mba ho voninkazon'ny zava-boahary.

Raha mba mankany Iarivo any ianao
Ka mijerijery ny zava-baovao,
marimariho ny ohatr'izao.

Depuis tout ma vie
Je n’ai jamais eu de soucis
Sortir la nuit
Seulement cette fois ci
A mon père m’a dit
Tu n’iras pas la nuit
J’ai fait des bla blo bli
Et lui il a souri, alors oui cette fois ci
A peine sortie je couru dans la rue
Après mes amies

Zanak'Iarivo reny raha tsy fantatrao e,
zanaky ny andro sy ny fomba vaovao.
zaitram-pitafiany sy ny taovolo ny azy e,
sarotra amintsika ny hitantara sy hilaza.

Misy misavoana toa vohitr'i Babay,
misy koa naholana hianjera ranoray

Ny sori-bolontsika, soritana amin'ny fiofy
kely sisa dia lasa nofy.

kely sisa dia lasa nofy.

kely sisa dia lasa nofy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Voninavoko
Vangy : 10031
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : riina
Daty : 14/02/2008 11:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0716