FANTATRO IANAO (Vola sy Noro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro ianao fa malahelo
No mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao fa efa nihaona ny ankason'ity tany
Ka ialao ny hakiviana

Eny henoko ianao fa nofinitaka malala
Ô! Henoko
Avelao izay tsy tia raha te hisitaka hiala
Ho any koa
Hovay ho vy, saina nitia, ranomaria

Fantatro ianao fa
Nokakerin’ny amboakely tiana
Any ianao O! fa very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy

Efa nataonao izay rehetra azonao natao
Nefa indrisy
Ilay fitia izay noheverina ho doria nankaiza izao
Rava tsy nisy
Nefa hoy aho, mba tianao, ny saina hatanjao

Fantatro ianao fa malahelo
No mitady hitomany
Nefa hoy aho, hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao fa efa nihaona ny ankason'ity tany
Ka ialao ny hakiviana

Tsy ianao irery koa anie
No mijaly toy izao
Na mihoatra fahoriam-be
Eny mafy noho ny ianao
Raha fitia no nandratrana anao
Ho fitia ihany koa
Ny hoavy ho fanafodinao
Dia ho adino ireo taloha

Fantatro ianao fa
Nokakerin’ny amboakely tiana
Any ianao O! fa very fanahy
Nefa na izany aza
Aleo ny eritreritra no ariana
Ô! Mitrakà fa lehilahy...
Ô! Mitrakà fa lehilahy...


Interprètes : Vola sy Noro A/C : Paul DASON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vola sy Noro
Vangy : 6512
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : leonnos
Daty : 19/08/2011 00:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2301