Aza kivy (Vola sy Noro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro ianao fa malahelo mitady hitomany
Nefa hoy aho
Hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao ve fa ny onjan’ny ankason’ity tany
Ka ialao ny hakiviana
Eny henoko ianao fa nofinitaka malala
O henoko
Avelao izay tsy tia raha te hisintaka hiala
Any ny fo
Ao fa hiova
Fiainana ity
Ranomaria

Fantatro ianao fa nokaikerin’ny amboa kely tiana
Hany ianao, ka very fanahy
Nefa na izany aza aleo ny eritreritra no ariana
O mitrakà
Fa lehilahy
Efa nataonao izay rehetra azonao natao
Nefai iindrisy
Ilay fitia neverina ho doria nankaiza izao
Rava tsy nisy
Nefa hoy aho
Mantsy ianao
Ny saina atanjao
Fantatro ianao fa malahelo mitady hitomany
Nefa hoy aho
Hoy aho mangina
Moa tsy fantatrao ve fa ny onjan'ny ankason’ity tany
Ka ialao ny hakiviana

Tsy ianao irery koa ange
No mijaly toy izao
Maro ireo tra-pahoriambe
Eny mafy noho ny ianao

Ka fitia no nandratrana anao
Ao fitia ihany koa
Ny ho avy fanafodinao
Dia ho adino ireo taloha

Fantatro ianao fa nokaikerin’ny amboa kely tiana
Hany ianao ka very fanahy
Nefa na izany aza aleo ny eritreritra no ariana
O mitrakà
Fa lehilahy
O mitrakà
Fa lehilahy
O mitrakà
Fa lehilahy
………………
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 31/07/2019 23:22)
Misaotra fa hay mbola tsy tato ity hira ity
Jj.be ( 02/08/2019 20:34)
Tsara fa toizo e,zahay mankafia sy manaraka hatrany
Jj.be ( 02/08/2019 20:36)
Tsara fa toizo e,zahay mankafia sy manaraka hatrany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vola sy Noro
Vangy : 2439
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : trimobe
Daty : 30/07/2019 10:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142