KANEFA RAY TSITOHA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tompo ô nahoana moa?
No mbola misy ireo mifandratra fo?
Tsy mitsahatra manenjika ahy
Manozona ahy mba ho rendrika

REF :
Ianao nilaza fa mila mangina aho
Fa Ianao no hiady ho ahy
Kanefa Ray Tsitoha, mafy re ny manjo
Ka tsy tsindriko ny fo

2)Tompo ô nahoana kay?
Raha toa ka hatsahatra amin'izay
'zao tafiotra mahery izao
Fa mila ho fefika ny sambonay

REF:
Ny alon-drano sy ireo bibidia
Samy te handrombaka ahy
Kanefa Ray Tsitoha mba hamindrao fo
Ka vonjeo ity zanakao

Ianao nilaza fa mila mangina aho
Fa Ianao no hiady ho ahy
Kanefa Ray Tsitoha, mafy re ny manjo
Ka tsy tsindriko ny fo

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
Comments
Sandosantos ( 11/05/2023 12:24)
Izaho no hiady hoy Jehovah fa ianareo kosa hangina??
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Hits : 236
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 11/05/2023 12:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761