MAHARAVO (TSIARO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nikatsakatsaka izay mahasoa anie aho e !
Niazakazaka tetsy sy eroa ka lavo e
Ny hany mba hita tsy nahafapo
Tao ny vao mainka nakarary andoha
Vaka ny saiko, moa mba ahita maharavo e ?

2-Niketriketrika ho mena ambonin’ny mena
Niezakezaka tamin’ny herin’ny tena
Ny hany mba vita tsy nahafaly fo
Toa zava-poana ilay narary an-doha
Eken’ny saiko fa ao aminy ao no maharavo e !

Bridge 1 : Raha hitady maharavo ay,
Tsy hitanao any ho any…
Raha hitady maharavo fo
Dia ao aminy ao ay, ihany

3-Ka nohadinoiko ireo izay efa nandrin’ny saiko
Ary nohenoiko Ilay iray izay tsy mba nolalaiko
Toa lalan-tery nefa tsy manery
Zato isan-jato, inoako tsy hahavery
Lavin’ny saiko izao izay mety mandavo e !

Refrain :
Izay no ao aminy ao ouh
Mahalala ny tokony atao ouh
Tsy very mandeha, na lavitra na akaiky no aleha,
Na mafy manjo, mbola afa-miravo hatrany ny fo
Izay no ao aminy ao ouh
Mahalala ny tokony atao ouh
Na aiza no aleha dia tsapanao fona fa misy miambe
Na sendra manjo, tony, miravo hatrany ny fo

Interlude…

Bridge 2 : Izay no ao aminy ao
Mahalala ny tokony atao
Tsy very mandeha, na lavitra na akaiky no aleha,
Izay no ao aminy ao
Mahalala ny tokony atao
Tsapanao fona fa misy miambe

Refrain :
Izay no ao aminy ao ouh
Mahalala ny tokony atao ouh
Tsy very mandeha, na lavitra na akaiky no aleha,
Na mafy manjo, mbola afa-miravo hatrany ny fo
Izay no ao aminy ao ouh
Mahalala ny tokony atao ouh
Na aiza no aleha dia tsapanao fona fa misy miambe
Na sendra manjo, tony, miravo hatrany ny fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TSIARO
Vangy : 569
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 28/06/2021 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1043