TSY AHY (TSIARO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tefy, sedra maro
Ady mifangaro toky
Mampahatsiaro
Ianao namakivaky
An-tsambokely
Rivotra mahery
Toy ny tsy teo ireo
Rehefa indro ianao niteny

2-Dify ny fahavalo
Na vato kely monja
No mba ataoko aro
Satria ny momba ahy
Dia efa misy mpiahy
Andry Afo Fanahy
Ilay ampy ahy

Bridge 1:
Fa vao omaly aho ka tsy mba mahalala
Hoe reo mitranga, moa fiantsoany ahy ho ao am-bala?
Ny antoka ho ahy anefa
Dia Izy efa nanefa
Ireo sitrapoko izay diso fiantefa

Refrain x2:
Ny amiko dia efa tsy ahy
Na ny foko na ny fanahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy
Safidin’ny saiko ary koa Aiko am-panahy
Ny amiko dia efa tsy ahy
Na ny foko na ny fanahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy
Aiko am-panahy

Interlude…

Bridge1:…

Bridge 2:
Ny amiko dia efa tsy ahy
Na ny foko na ny fanahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy
Safidin’ny saiko ary koa Aiko am-panahy

Refrain:
Ny amiko dia efa tsy ahy
Na ny foko na ny fanahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy
Safidin’ny saiko ary koa Aiko am-panahy
Ny amiko dia efa tsy ahy
Na ny foko na ny fanahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy
Aiko am-panahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ahy, Aiko am-panahy
Nafoiko ho an’Ilay tena tia ah, Aiko am-panahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TSIARO
Vangy : 574
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 28/06/2021 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075