You are here: home > Tononkira > TSIARO

TSY HATREO (TSIARO)

Fanahy,
Iriko raha mba omenao ahy
‘Lay fahendrena mamantatra ity làlanay
Mampangaihay ireo izay miseho
Ny mahagaga ahy anefa hoy Ianao tsy hatreo
Fa ao ny mahasoa anay Tsara noho ny hatrizay
Nefa tsy ho takatray
Raha tsy fenoinao Ry Fanahy

Bridge 1: Ka ho tsaroanay hatrany ny hisaotra Anao
N’inona n’inona no atolotrao
Ary am-ponay hatrany ‘lay nolazainao
Hoe fiadanana no ao ambadika ao

Ref: Nataonao hihoarako ‘reny rehetra ‘reny
Ary koa hampiharako, ‘reo voateny ombieny
Ka hivoarako am-panahy
‘Reo sarotra hanefenao ahy
Tsy misy hatreo rehefa Ianao noTsiky dia ampy miteny
Mba hihoarako ‘reny rehetra ‘reny
Ary koa hampiharako, ‘reo voateny ombieny
Ka hivoarako am-panahy
‘Reo sarotra hanefenao ahy
Tsy misy hatreo rehefa Ianao no miteny

Interlude

Bridge 2: Ny ampitsonay miafina mandrakariva
Ny fanantenana indraindray toa miha-iva
Raha tsy omenao ‘lay fijerinao tsy hahita atao

Bridge 1: ...

Ref:...

Mba hihoarako ‘reny rehetra ‘reny
Ary koa hampiharako, ‘reo voateny ombieny
Ka hivoarako am-panahy
‘Reo sarotra hanefenao ahy
Tsy misy hatreo rehefa Ianao no miteny

Tsy misy hatreo rehefa ianao no miteny
Tsy misy hatreo rehefa ianao no miteny

Mpihira : TSIARO
Mpamaky : 309
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Faliana2402
Tamin'ny : 11/01/2021 21:30:48
ID : 13305

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo