Tsy resy (TSIARO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Izay novisaina toa nety sy toaNy lalana maina, ka dia niadam-po
Tsy mba nanotany ny hantony moa
Fa dia tretrika, tsy nihevitra ny mety hanjo
Toy ny hoe manidina mihanoka tokoa
Ny rivotra iainana malefaka sy soa
Indray mipihy monja dia niova avokoa
Tonga loza ilay fiadanana teo aloha
Ref-Tsy resy aho na dia misy aza izao
Izay no manjaka ao anatiko ao
Ny miatrika mafy lova avy Aminao
He tsy resy aho, ampy ahy ny Antokao
Fantatro koa, fa tsy aty no tena ahy
Koa raha toa tsy mankafy tsy manahy
Tsy resy aho na toy ny very fanahy
Izao nataonao mba hahatonga ahy hody indray
2-Ratra mahamay no setrin’ilay
Zotra iray toa nirindra, moa diso famindra?
Ratra isanandro, mampanjombona atoandro
Tontolo hafa indray no reko misy ahy
Ref-Tsy resy aho na dia misy aza izao
Izay no manjaka ao anatiko ao
Ny miatrika mafy lova avy Aminao
He tsy resy aho, ampy ahy ny Antokao
Fantatro koa, fa tsy aty no tena ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : TSIAROVangy : 124
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 06/02/2025 08:40
