MISY IZY (TSIARO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tadiavo Izy, dieny mbola hita,
Antsoy dieny mbola akaiky
Mba tsy ho aminao no hisian’ny hoe saika…
Tsy hoe miovaova Izy ka ‘ndraindray tsy hita
Fa ny andronao dia tampoka no hipaika
Tsarovy fa mety ho tara ihany ny tsy taitra sy tsy maika

Sao ho diso hevitra amin’ireo teny toa marina
Ka tsy hahita ilay lala-mahitsy fa manaiky voasarontsarona
Ny Ainy ange efa nafoiny ho anao,
Ny handray Azy kosa dia safidy atao
Ny hany azoko anampiana anao, dia izao…

Hiraiko ho anao fa misy Izy e !
Valiany ianao raha miantso Azy e!
Lazaiko anao fa eo foana Izy e !
Hihaino anao
Ambarako fa miasa Izy e
Ka tsapan’izay mitady Azy e !
Lazaiko anao fa eo foana Izy e
Hiahy anao

Interlude…

Bridge: Izay rehetra eto an-tany, miovaova ihany
Nefa misy kosa any ho any tsy mba amin’izany
Raha nandeha Izy dia nanomana ho anao ilay toera-mamy
Any an-koatra any
Azonao atao ny anisan’ny ho any

Ref: Hiraiko ho anao fa misy Izy e !
Valiany ianao raha miantso Azy e
Lazaiko anao fa eo foana Izy e !
Hihaino anao
Ambarako fa miasa Izy e
Ka tsapan’izay mitady Azy e
Lazaiko anao fa eo foana Izy e
Hiahy anao

Ref*: Tadiavo Izy, dieny mbola hita,
Antsoy dieny mbola akaiky
Mba tsy ho aminao ilay saika… ary ho mpanompo miavaka e
Tsy hoe miova Izy ka ‘ndraindray tsy hita
Fa ny andronao tampotampoka no hipaika
Ho gaga ve ianao raha tsy nahazo nefa tsy nangataka e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TSIARO
Vangy : 753
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 11/01/2021 22:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882