Mila Anao ny firenena (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho aiza moa ity fireneko izay mandalo fitsapana? Lasa ory feno sento, mitomany lalandava
Mitambesatra hatrany, fijaliana, fihafiana
Ka ny fianana eto an-tany
Toa tsy misy fifaliana
Mila fanoloran-tena avy aminao, avy aminao
Hanasoa ny firenena
Hiasa dieny izao, hiasa dieny izao
Ento hiaraka Aminao Jesosy Tompo tsy mandao
Mba hanamaivana ny asa rehetra izay atao
Mba rahoviana ihany anefa vao mba hiova ny famindra?
Ka ho tsara fiantefa, na tsy toy ny Paradisa
Tsy ho tonga foana izany raha toa ka tsy miray
Hanao izay fomba mety hatrany
Hampilamina ny tany
Mila fanoloran-tena avy aminao, avy aminao
Hanasoa ny firenena
Hiasa dieny izao, hiasa dieny izao
Ento hiaraka Aminao Jesosy Tompo tsy mandao
Mba hanamaivana ny asa rehetra izay atao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAHits : 312
Likes : 0 Like
Created by : Njaranjara
Date : 13/03/2025 11:00
