Iriko & Tiako Loatra (feat Mialy Rakotomamonjy) (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko:

1- Iriko tokoa re Jesosy ô mba ho Anao
Ny foko rehetra anjakanao
Fa ela dia ela Jesosy o
No niriko ho Anao irery ihany

Refrain:
Jesosy o  mba meteza re Hianao
Jesosy o manjaka anatiko ao Hianao
Jesosy o  mba meteza re Hianao
Jesosy o manjaka anatiko ao Hianao

2- Fa be fahavalo Tompo o ny ety
Kanefa Hianao no mpiaro
Ny mino rehetra tsy ho simban'ny ota
Handresy hatrany hatrany

Tiako Loatra:

1- Tiako loatra e, tiako loatra e, ny fitiavanao
Ry Jesoa, mamy loatra ny eo anilanao
Lavitry ny ahiahy, ravoravo ny fanahy
Tena ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao

Tena soa, tsara loatra e, ny fitantananao
Ny fiainanay matoa mivoatra e, dia notahianao
Na nisedra mahamay, nenjehina aza indraindray
Dia tsy lavo fa mijoro, Hianao no niady ho anay

Refrain:
Ka mbola hatoky Anao, hifikitra Aminao
Tsy misy mahavita anay afatsy Hianao ry Jesoa tia
Ny velirano izay ataonay Aminao
Tsy hivadika Aminao izahay
Mandrakizay doria
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA
Hits : 432
Likes : 0 Like
Created by : Njaranjara
Date : 13/03/2025 07:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187