Angolanao (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy tana ny foko fa
Voatery ny ora sy fotoana
Dia tsy nety nangina
Fa te hiantso anao foana
Tsy afaka ao andoha
Mandalo ao an-tsaiko avokoa
Ireo kisarisary izay niainantsika roa.

Nanjary mangovitra aho
Raha vao mandre ny anaranao
Raha vao mangina irery iny
Dia mahatsiaro ireo fahiny
Fa toy ny vao aninkeo
Ireo tantara izay niseho
Gina sy variana tampoka teo

Toa efa reko sahady any anatiko any
Ny angolanao
Ilay fitsikinao nambabo ahy
Fa tsy mahasaraka ahy
Tsy mety lefy
Toy ny mozika tsara tefy

Angolanao izay ilay tsy foiko *
Angola mitalaho
Fa tsy mety ho tony ny saiko
Raha tsy eo ankaikinao
Fa raha ny eritreritro
Fotoana iray no andrasako
Dia ilay andro iray hiaonantsika(X3)
Eto indray

Ireo fotoana mifangaro
Sy ireo minitra maromaro
Izay nifampizarana vetivety de tsy tana
Fa tsy nety afa po
Voronkely anakiroa
Fa tsy mifanary, tsy misara droa

Ireo tononkalo nosoratanay
Voarakitra an taratasy iray
Dia mbola votahiry na dia efa taona firifiry
Tsy hay ho adinona
Ilay soratrao tsy mety novonoina
Raikitra am po volamena tsy mba lo

Efa reko sahady...sns
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tovo J'Hay
Hits : 20137
Likes : 2 Like
Created by : lal'aina pisou
Date : 20/11/2015 09:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768