Izy (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia, adinonao indraindray
Fa misy olona iray?
Maniry te hihaona mafy aminao.

Toa, mikaroka anao lava izao
Fa raha mba fantatrao?
Ny hiankinan'ny hoavinao rahatrizay.

Izy, efa niandry tao ela be
Saingy ny feo no tianao tsy ho re
Ka reraka Izy miandry anao lava izao.

Ref:
Izy, ambaravaran'ny fonao
Mitaraina, mitalaho
Miangavy sy mitomany Izy anio.

Eh!, marary ny ratra ao am-pony
Maniry te hiditra ho ao
Ka tsy te handao anao intsony.

Dia, hinony f'indray andro any,
Ny sainao sy ny fonao mba hanjakany.

....

Anio, raha mbola maheno Azy ianao
Mba henoy ilay feo mitalaho
Mitaraina miala nenina mafy aminao.

Satria fantany, fa tsy ho zakanao
Ny fijaliana haterak'izao
Fa ho simba ny hoavinao mandrakizay.

Raha mbola atao hoe anio,
Ka manam-pofonaina ianao
Mba valio ilay feo miatso anao
Jesôsy mbola miandry anao foana hatramin'izao.

Ref:
Izy, ambaravaran'ny fonao
Mitaraina, mitalaho
Miangavy sy mitomany Izy anio.

Eh!, marary ny ratra ao am-pony
Maniry te hiditra ho ao
Ka tsy te handao anao intsony.

Dia, hinony f'indray andro any,
Ny sainao sy ny fonao mba hanjakany!!...
Ôh! ô!ô!ô ôh!

Ref: .....

Raha mety ianao! (Raha mety ianao)
Dia anio! (Raha mety ianao)
Raha mbola maheno Azy ianao! (Raha mety ianao)
Ôh! ô!ô!ô, ô!ô!ôh!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 540
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 25/07/2022 11:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3429