Tsiaro (Tarika Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niaraka nifaly teto izahay
Niaraka nidera anao ry ray
E tsaroanay foana, toa hita manoloana ireo sangisangy hatrizay
Niaraka nikaroka ihany koa
Mba hikatsaka izay mahasoa
Rehefa nila kivy, fa tojo zay tsy fidy
Dia niantso anao zahay jesoa
Na dia efa lasanao izy
Ho tsaroako ny fitiaavany
Niezaka hatrany, nanome ny mamy
Ho anay ankohonany marina fa misy ny alahelo
Olombelona mety hisento
Fa matoa mitraka, ry jesoa o mpanjaka
Eo ianao lay fanamperako
Tamin'izahay, nitomany
Nitaraina sy niondrika tamin'ny tany
Tompo o aiza ianao,fa toa maizim-pito zao tontolo rehetra izao
Hoy ianao taminay, ho tsapanao ihany ny anton'io rahatrizay
Fa minoa, ahazoanao fiandanam-po
Na dia efa lasanao izy
Ho tsaroako ny fitiaavany
Niezaka hatrany, nanome ny mamy ho anay ankohonany
Tompo o hafoiko ho anao izy
Ho tsaroako ny fitiaavany
Niezaka hatrany, nanome ny mamy ho anay ankohonany
Misaotra anao aho ray mpahary!!!!
--------
Link:
Comments
tsilavinaina ( 02/08/2018 19:59)
Ahatsiarovako an'ilay Reniko nandao anay, Mandriam-piadanana Neny malala
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Vonjy
Hits : 5530
Likes : 1 Like
Created by : tsilavinaina
Date : 02/08/2018 20:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732