Paradisa (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana :
Andeha hiaraka isika mba ho any
Am-paradisa, ilay tany vaovao
Fa Kristy efa sasa-miandry
Efa sasa-miandry antsika havany

Tompo ô! Tantano izahay
Mba tsy ho sampona izany dia
Fa Ianao no lalana mankany
Am-paradisa, ilay hafa noho ny ety
Any ilay tanàna hitoerantsika izay
Maniry hiaraka Aminy, maniry hiaraka Aminy
Tsy mba misy asan-tSatàna, tsisy olana ho vahana
Fa miadana avokoa ny saina sy fo

Fiverenana : Andeha hiaraka isika mba ho any ...

Tompo ô! Tahio ny dianay
Fa miandrandra lova izahay
Lova soa nomenao tsy vidina
Sy lova soa mampiadana tokoa
Any ilay tanàna hitoerantsika izay
Maniry hiaraka Aminy, maniry hiaraka Aminy
Tsy mba misy asan-tSatàna, tsisy olana ho vahana
Fa miadana avokoa ny saina sy fo

Fiverenana : Andeha hiaraka isika mba ho any ... (×2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora Masina Itaosy
Hits : 367
Likes : 1 Like
Created by : Anahy
Date : 20/03/2024 21:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1018