Teny fiainana (TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Masina ny teninao, nentin'ireo irakao
Ho an'ny olona rehetra eto an-tany
Mba hanompo Anao hatrany,
Ireo nania nantsoinao, ka nomenao hery vao
Mba hanompo Anao, ambara-pialany eto
Dia hizotra tsy hisento

Ref:
Fa ny teny fiainana, ho an'ny olona rehetra
Tsy mba misy ho diso anjara
Izay mandray ny teny izay ambara
K'aza miandry fotoana ela intsony,
na mangataka andro, tapaho anio ny hevitrao
'reo fisalasalana ataonao, ho zary ho nenina any aoriana

Efa nafafy ny teny, naely ombieny ombieny
Mitsangana mijoroa ianao, hitarika ireo nandao
Maro ireo tsy mahalala, misy misintaka miala
Anjaranao no mitory ireo teny soa, ho an'ireo izay tsy manoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona)
Hits : 56
Likes : 0 Like
Created by : Faniri
Date : 10/09/2024 11:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719