Vavaka (TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Olona voafidinao ry Raiko ô!
Sarotra ny adidy izay eo an-tsoraka
Mba tsarovy iantrao indro inty ny zanakao indrisy e!
Tsy hirodana izay efa naorinao


Ref: Ray ô! Jereo ô mba hekeo f’indro miandrandra Anao
Fahendrem-panahy fo madio sy vao no atolory ahy
Zay no vavaka mipololotra avy am-po
Isaoranay ry Raianay be indrafo fantatro
Fa hatolotrao hoan’ireo mpankato


2- Raha reraka aho ka misalasala
Aoka hatoky Anao na hirifiry mamanala
Ny teninao Jesoa irery no hiankinako azo antoka
Na ny adim-panahy tsy hisy hahasarak’ahy


(Tanora Kristiana Vavolombelona)
(TA.KRI.VA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona)
Vangy : 2186
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : patypv
Daty : 10/11/2008 12:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723