ANAO NY SAFIDY (TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha misy alahelo izay tojo anao
Ahiahy sy ranomaso no iainanao
Be dia be ny adin-tsaina efa mila handrerak’aina
Izay rehetra atao zary rava maina
Izahay anefa milaza aminao
Ts’inonts’inona tokoa raha izao isika izao
Izao rehetra izao handao tsy mba misy tsy ho laho
Very maina ny asanao

REF:Raha sendra majombona ianao androany
Ka ho mila hisento kivy sy mitomany
Tsarovy fa Jesoa mahita anao
Ka hamonjy anao amin’ny olanao

2-Raha ny fahaizanao no iankinanao
Ka ho hitanao daholo izao rehetra izao
Mba fantaro dieny izao aiza no alehanao
Raha alaina anio ny fanahinao
Fa ny hasambara misy eto an-tany
Fifaliana mora very ary koa mora lany
Raha mifaly ianao amin’izao tontolo izao
Adin-tsaina no miandry anao

REF:Jesosy nanolotra ny ainy ho anao
Hanome fifaliana amin’ny fiainanao
Raha ho faty ianao Izy hitsenanao
Raha vonona ianao ao an-danitra ao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona)
Vangy : 2319
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanomezantsoa
Daty : 06/06/2007 12:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3971