Tompo o! tiako Ianao (TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tompo o! tiako Ianao
Tsisy hatakaloko Anao
Raiso ho Anao hanjakao
Raiso ho Anao re ny tenako
Foiko sakambininao

ref:Tompo o! mamindrà re! fo
Na tsy mendrika ny lotoko
Tompo o! misaotra Anao
Voaantso indray ho olom-baovao
Raiso ho Anao ny fiainako
Ho Anao irery hatramin’ny farany

2-Tompo o! ifonako
Ny faharatsiako rehetra
Tompo o ity ny foko ho Anao
Ho tefenao sy hamboarinao
Mba ho tanteraka ity mpianatrao

ref:Meteza re ho eo anilako
Amin’ireo mangidy sy mafaitra
Tazony aho Jesosy o!
Na faly aho na tomany koa
Fantatro fa mampahery Ianao
Hatramin’ny andronay voalohany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona)
Vangy : 2229
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 29/05/2007 16:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6755