misaora amin'ny zavatra rehetra (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny zavatra nomenao ahy , isaorako avokoa
Tsy misy mampanahy tokoa fa tena mahasoa
Ekeko tsotr’izao Jesoa fai zay no sitrakao
Satria ianao Jesoa no miahy ny momba ahy
saorako Anao avokoa izay sitrakao ho ahy
Mety ho sarotra sy ho mafy koa
Mety ho ratsy nefa mahasoa
Zay rehatra omeano Jesoa ekeko  amin’ny fo
2– Izay rehetra iainako hisaorako Anao
Tsy misy ady varotra fa mety avokoa
Ekeko tsotr’izao Jesoa  f’izay no sitrakao
Satria ianao Jesoa no miahy ny fiainako
Isaorako anao avokoa ‘zay rehetra omenao ahy
Na ho faly aho na ory ihany koa
Na hitsiky  na hitomany koa
Zay rehetra omeano Jeosa ekeko tsotr’izao
REF :
Misaorà ; misaorà amin’ny zavatra rehetra
Fa izany no sitrapon’Andriamanitra
Ao amin’ny Kristy Jesoa ho anareo
(ITes : 5/18
                ANDRIAMIZAKA Hery Razanakto ( 06/07/2024
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 188
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 06/03/2025 07:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0261