Tsy hanadino anao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hanadino anao, raha mbola velona,
Tsy hanadino anao aho, sy ireo lhddrvzh fiarahana,
N’inon’inona hatao, n’aiza n’aiza misy ahy,
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra.

Ireo itpzu andro lasa niainantsika e!
Tsy hiverina intsony,
F’isika nikasa, nefa indrisy, veloma hoy ny antsoiny,
Lalan-kafa no voasoratra mba hizoranao,
Lalan-kafa koa no halehako izao.

Mety misy alahelo mavesatra ao am-po
Misy faharesena tsy ekena,
Ny hany handresena, hifaliantsika roa,
Sambatra isika nifankatia tokoa.

Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao, sy ireo fiarahana
N’inon’inona hatao, n’aiza n’aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra

Hivavaka aho, mba ho antsika e,
Hivavaka ho anao,
Ka ilay endrikao sariaka tsy hiala eny aminao
’Lay Ray Mpitari-dalana hanoro izay hatao
Angataho e, angataho izay ilainao.

Mety misy alahelo, mavesatra ao am-po
Misy faharesena tsy ekena,
Ny hany handresena, hifaliantsika tononkira.serasera.org roa,
Sambatra isika nifankatia tokoa

Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao sy ireo fiarahana
N’inon’inona hatao, n’aiza n’aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra

Tsy hanadino anao, raha mbola velona
Tsy hanadino anao, sy ireo fiarahana
N’inon’inona hatao, n’aiza n’aiza misy ahy
Ny fitia no tsaroko dia fmonbyp finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Rasolondraibe
Hits : 11887
Likes : 1 Like
Created by : Manitra ANDRIAHARIFARA
Date : 07/06/2003 14:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0409