SOMBIN'NY AIKO (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sombin'ny aiko
Raha tsy maintsy mandeha ianao
Lavin'ny saiko, ny hanadino anao
Mamiko loatra ny hasambarana feno
Sy tafahoatra 'reo teniteny mamy ho ahy

Sombin'ny aiko
Tsy mba misy azoko atao
Na ny hitana anao,na ny hanaraka anao
Iny hafatro iny aza atao saraka anao
Ary ity hira kalon'alahelo anao

Ny anaranao anorina fonenana ao ambavako ao
Ny endrikao ihany no fo mitempo amiko
Ny anaranao no tanako fa saro-bidy tamiko
Omeko ireo fara - tokony hitarainako

Ny sarinao ihany no ilazako ny vetsoko
Izy no ahatanty ny ranomasoko

Sombin'ny aiko

Ny anaranao no andriko andravaka ny hirako
Tononiko maraina ny hariva sy ny alina
Ny anaranao no arendriko ho volamena aharitra
Andravaka ny tanako hitovozako aminao
Ho ravaky ny fiainako sy ho lovako
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Rasolondraibe
Hits : 4307
Likes : 0 Like
Created by : bobimarolahy
Date : 10/08/2010 15:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736