Any an-danitra any (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any an-danitra any, any misy fiainana
Ny mino any no mbola hody fa tsy maintsy tody eee
Ny aty dia mandala sy miserana, Jesosy any efa mikarakara ny toerana

Jesosy o, Jesosy a, tsy misy atakaloko Anao e
Lalako Ianao ety an-tany ka hatrany an-danitra any e

Any an-danitra any, zay tonga ihany no arabaina
Fa manana tombon-tsoa ny velon’aina
Mihetsiketsika fa manorina ny ankoatra
Jesosy any efa mikarakara efa manamboatra

Tsy hangorohoro ny fonareo
Ianareo mahalala ny Tompo (ianareo mahalala ny feoko e)
Tsy hangorohoro ny fonareo, fantatrareo zay alehako e
Aza manahy e, aza manahy a, ho avy ny andronareo a
Zay hisy ahy e, zay hisy ahy e, any koa no hisy anareo

Any an-danitra any, zay tonga ihany no arabaina
Fa manana tombon-tsoa ny velon’aina
Mihetsiketsika fa manorina ny ankoatra
Jesosy any efa mikarakara efa manamboatra
?
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Rasolondraibe
Hits : 6443
Likes : 0 Like
Created by : iriana.ranaivo
Date : 27/07/2017 12:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752