ANIO (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio, dia anio miangavy anao aho
Iriko hiverina indray ’lay toy ny omaly
Manimanina sahady aho
Toy ny efa ela be
Ilay angano mamintsika roa omaly

Tsy foiko ho soloina fandio
’lay fofonao ’lay hanitrao nanaraka ahy
nanenika ahy
Ary iriako koa raha sitrakao
Ary inoako fa tianao
Hafarantsika ilay tantara vao omaly

Hamiratra indray ny efitranoko
Hitahy ny hanitrao ilay fandriana foana teo
Hanjary hiangavy anao koa ireo
Hivetsovetso toa ahy
Mba hiverenan’ny omaly anio

Anio dia anio ny omaly vaovao
No hisantatra indray ny ho ampitso

Anio dia anio hiantsoantso anao aho
Hohamafisintsika indray ’lay toy ny omaly
Tsy hifarana sahady na ho toy ny kilalao indray andro
Ilay angano mamintsika roa antsika roa

Tsy foiko ho soloina sy hirain’ny hafa indray
’lay tononkiranao anao nataonao ho ahy
Ary iriako koa raha sitrakao
Ary inoako fa tianao
Arandrantsika ho iray izay ho avy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Ramanantoanina
Hits : 10308
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 27/09/2005 00:36
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585