NAPETRANY (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamikavika mafy(ianao)
handeha hitsena an’azy(in-2)
varimbarina teo(ianao)
kanjo tratran’ny embouteillage(in-2)

Tazatazaniny teny ianao fa tsy tazany
Ny andro efa mihariva, hariva ihany
Nandrasany teny ianao,fa tsy tonga mihitsy
’Reo taxi-be sy bus efa vitsy dia vitsy
Napetrany ianao, napetrany mihitsy
Ny andro efa maizina be
Ny mpandeha efa vitsivitsy

Manganohano izy
Lasa nody irery any
Manganohano izy
Lasa nody irery tomany e
Mitsonika tsy moramora e
Reo ranomasony be dia be, tomany tomany

Sahirana izy mitady ny very
Mihira mangina ao anatin’ny aizina irery
Tongava am’izay hono ianao miverena
Fa ny fony voaomana hiandry hatry ny ela
Tonga am’izay ono enao fa aza ela e
Eny ananona hono izy mba jerijerena

Napetrany ianao e!
Napetrany ianao
X4

Voapetraka ianao e!
Voapetraka ianao
X4

Miverena e!
Miverena hoy aho
Miverena ianao
Miverena

Aza ela e!
Aza ela hoy aho,
Aza ela ianao
Aza ela

Miverena e!
Miverena hoy aho
Miverena ianao
Miverena

Aza ela e!
Aza ela hoy aho,
Aza ela ianao
Aza ela be

(Tonony sy feony :Ny olombelo Ricky)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Olombelo Ricky
Hits : 10416
Likes : 0 Like
Created by : Izy
Date : 24/04/2003 14:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098