Kalangita (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa te-hody izaho amaray e (2)
F’izaho tsy tafandry raha tsy eo ianao (2)

Niandry ropilany ho tonga izaho e
Hitondra taratasy any aminao e
Nefa dia hatram’zao tsy mbola tonga foana e
Sasa-miandry aho ny lohako efa mihasola

Kalangita
Omeko anao anie ny lanitra
Kalangita
Raha toa enao mbola mitandrina ho’a e
Kalangita
Hamoronako hira vaovao foana e

Ivavaho tsara anie ny aty e (2)
F’izaho tsy tafandry raha tsy eo enao (2)

Andefaso lambahoany izaho e
Asio vanliha any anatiny any
Dia mba omeo teny masina ho’a zany
Avy any avy any am-ponao any
Kalangitako zany

Kalangita
Omeko anao anie ’zay masaka
Kalangita
Raha toa ianao mbola mitandrina ho’a e
Kalangita
Hamoronako hira vaovao foana e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Olombelo Ricky
Hits : 19299
Likes : 1 Like
Created by : Thierry
Date : 18/06/2003 09:01
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119