MALAHELO ANAO (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malahelo anao, fa tsy hay ‘zay atao
novanao moramora hatrany
‘lay fitiavana no niafarany
somary nankarary, fitia tsy hanjary
ny anao sy ny avy any aminao,
mankasitra tsara izao.

Tsy fahatsiarovana mba tsara,
no napetrakao ho tantara
fa fahatsiarovana ratram-pery
koboniko ho ahy samirery.

Ny mampalahelo ahy, ianao tena sahy
‘lay andro mba tsingerin-taonako
toa vonin’andro iray nisaonako
manaiky anao aho, ‘zay vatsy vaovao
tandremo ary sao solafaka
enga anie ianao ho tonga lafatra.

Tsy afaka hibanjina anao intsony
ilay boboka sy lonilony
zakao ny anao sy ny ho avinao
koa araraoty dian’izao
‘zaho ‘lay saika hidiran-doza
ny tsara aloha dia ny manova
aleo indray aho mba hiantefa
na ratsy aza fa tsara toetra, tsara toetra.

(A/C : Noely)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rebika
Hits : 7172
Likes : 1 Like
Created by : istraky
Date : 17/03/2008 08:08
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138