AZA MILOFIKA (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza milofika

Tsy maintsy misy manaraka anao eny ihany
Ny herin-tsaina hanova loko izato fonao.
Tsy maintsy zava-baovao,
tsy mbola nisy sy niseho
no hanafaka ireo taraina,
hanilo anao ho very saina.

Tsindrio mafy ny fanadinoina an-tsainao ao.
Fa toy ny rano raraka iny ka izao:
Hisy hafa iray tendry ho anao
Safidy mbola vaovao
Ndeha hialao io ka tohazo
Ilay tolotra toa voninkazo.

Raha izy no hampirongatra tomany,
Tsy ny tantely tokana no mamy.

Ny zaza bodo no tambazana vato mamy.
Fa efa namikitra olon-kafa:tsotra izany.
Izay ampitso mbola ho be
Ka ny tandrify no jereo
Indray mandeha no manta vary
Ilay toky anie ka tsy fanary

Fa hira kosa hanambarana izay niseho
Ny disadisa sy ny lamina tefeo
Dia harindrao hilanto tsara
Dradradradrao mba hanambara
Fa zara aza nisy an’iny
Atao antsaly mahasondriana.

Ilay nankararirary teo dakao.
Tontolo hafa indray no tano ho anao.


REBIKA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 6345
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 03/10/2003 14:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729