Ngeza mankadiry (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ranomasin'iny ataoko taratasy hanoratko anao,
Ny ranomainty kosa rà menamena avy ao ampoko ao;
Ny teny ho lazaiko kely manankery dia hoe ny fitia;
Ary ny horokoroka no fanekena soloiko ho sonia.

Iny habakabak'iny avadiko ho valopy asiako ladiresy;
Ny sarintsika roa no hampetako ho hajia fa io no tiako letsy
Ao anatiny ao ny eritreritro mibaboka fa tia;
Tsy mila voatsiary na hoe rediredy ankory sanatry.

Ianao izao no toky, kitro efa nifaharako
Aza homena lamosina re ny fitiavako ;
Raha toa mitalao aza mba manafay
Fa ny aty efa hoatr'izay.

Ny ranomasin'iny, iny habakabak'iny ô!
Miara mitahiry ilay fitiavantsika ngeza makadiry a! (x2)
................................

Boaty postaly andefasako azy dia eny an-tànanao,
Tsy mila valin-teny fa ny tena ilaiko dia ny tsikinao
Fa iny soratro iny alefako hiampita ho solotenako any e!
Ireo mpisary zoro na dia betsaka aza ianao mbola hafa ihany.

Ny ady mbola ho mafy izay hiatren-tsika tsoriko avy hatrany;
Tsy mbola fahafirin'ny mamy ho azon-tsika tsisy fiafarany.
Fa raha ny hoe hivadika amin'izay nekena nofy angamba izany,
Ny tiako noho ianao tsy mbola nisy teto mandrak'androany.

Vetson'ny manina ny ahy ka tsy sitrana raha tsy mody;
Tongava malaky aky f'indry izao no fanafody
Asanao re ry aiko raha mahavita mampijaly
Fa tsy mahatelikanina aho hatrin'ny omaly.

Ny lanitra sy tany ,hiririavantsika ô!
Ny voary manontolo atokako kianjan'ny hira sy mozika a! (x2)

.................................

Oaah!.....oaah!.....oaah!... oah oah!

Ianao no vonikazo! Ianao no vonikazo! Ianao no vonikazo!
Manitra fitia! fitia fitia fitia! Fitia tsy mety halazo,
Ny vazy nofidiko ho hametrahako azy dia ato ampoko ato;
Ny amiko rehetra hanondrahako azy hiraraka tsy hiato.

Izay tsy vita ety any an-danitra hiarahana mamita a!
Porofo manambara sy miarihary tsisy indray mipika a!
Na ny ety ambany, na ny eny ambony samy mankafy (samy mankafy)
Ilay avo indrindra no hitso-drano ka eny sa tsia!

Ny alaheloko tsy hitony raha tsy ho hita itsony ianao;
Ny saiko mitady hikomy raha mbola hitady vao.
Fa tokam-po tanteraka hanaten'iza indray, adalana ve ny ahy?

Ny lanitra sy tany ,hiririavantsika ô!
Ny voary manontolo atokako kianjan'ny hira sy mozika a! (x2)

Ny ranomasin'iny, iny habakabak'iny ô!
Miara mitahiry ilay fitiavantsika ngeza makadiry a! (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 7283
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsiky
Daty : 25/02/2003 12:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012