Any ilay malala (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitr’Iarivo izaho rey roy
Mba tazatazano ilay malalako
Ranomaso nisarahanay tany
Mba ampangino izy e
Tambatambazo izy e

Rehefa hiakatra izaho akia
Hitondrako zavatra tsara indry
Hitondrako habobo iray boboka
Manala sorisory io e
Manala sorisory io e

Akaikinao mahazo mamy
Ary tambitamby
Tsy maintsy ho avy aho e
Tsy maintsy tonga aho e

Vohitr’Iarivo maresa-dava e
Ny fitiavantsika tsy latsak’izany
Lozan’ireo mitady handrava
Izaho tsy tia tabataba e
Izaho tsy tia tabataba e

Fitiavantsika toa trano aboaly
Tsy mora ravana, tsy mora
Alaintsika handaloran-trano
Iarovana ankohonana
Tranon’aboaly
Iarovana ankohonana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RABERANTO
Hits : 2225
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 14/02/2015 00:14
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1437