Kamo (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Loza fa tsisy fetrany io hakamoanao io
Loza fa amboletra ny fivelomanao
Ny tontolo misy anao indray
No omenao tsiny raha mahantra ianao io
Tena loza fa ny fisainanao no manambany anao

Tsy heverinao akory ny hiezaka
Efa masaka ao an-doha ny mitofezaka
F’efa mety hoy ianao
Misolelaka isan’andro vaky izao
K’inona indray!

Loza fa toa tsy tsapanao ny tsy fitiavana anao
Tena loza fa hay raha be hono ’ty mba mampihavana
Dia baikon’ny habadoana ka lasa boton’ny be basy ianao
Tena resin’ny hakamoana tsy mahababo intsony ny ratsy

Tsy heverinao akory...

Zatra loatra nomena
Mamitaka ny tena
Miandry ny ho toloram-potsiny

Loza fa mety aminao ny tondro molotra
Mahagaga fa tena zakanao ny tondro molotra
Ny hakamoanao io indrindra no anararaotiny amin’izany
Hanomanany anao indray, handadizanao @ tany

Tsy heverinao akory...

Zatra loatra nomena...

Poopy (album: tahak’izay)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Poopy
Hits : 3616
Likes : 0 Like
Created by : Domoina
Date : 17/01/2003 18:25
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124