An-tananao (Ny Antsafia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Apetrako eo Aminao Tompo oh ny momba ahy
Ianao Ilay Mpiandry ahy, tsy nahafo sy niahy
Izay rehetra mahakasika ahy
Raiko oh hiasao sy hanjakao
Ny foko ho lapanao, arovu amin'izao fiainana izao
Ireo faniriana lalina anatiko ao
Omeko, atolotro am-pelantananao

Ref:
Satria malalanao aho Jesoa
Dia hatoky anao hatrany ity zanakao
Tantano aho ho eo Aminao doria
Apetrako an-tananao izao fiainako izao
Vimbino aho ry Ilay Ray tsy mba mandao

Ny tananao mitantana ahy Jesosy oh no andriko
Ka na onja na tafiotra dia tsy hanafotra ahy
Na alondrano koa diaviko, hazony re ny tanako
Ianao no hametrahako, ireo lalako ireo tanjoko
Ireo hetaheta lalina ao anatiko ao
Omeko, atolotro eo am-pelantananao

Ref:
(Satria malalanao aho Jesoa
Dia hatoky anao hatrany ity zanakao
Tantano aho ho eo Aminao doria
Apetrako an-tananao izao fiainako izao
Vimbino aho ry Ilay Ray tsy mba mandao)x2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Antsafia
Hits : 15
Likes : 0 Like
Created by : Sanda825
Date : 27/11/2024 19:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269