Zay misy anao (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miodina ny tany
Toa ny taona koa toy izany
Miha antitra ny aina
Ary ny fahavaratra mikija ihany
Tsy noheverin'ireny fa
Izaho sy ianao, tsy ho lefy noho izany.

Ny tomanin-jaza, no mandreraka ny reny
Ary mbola ny andron'i Tompo ihany
No fivavahana ekena
Nefa ahoana ny lazaiko
Ho anao 'ty foko maratra irery.

Ref:
An-dàlana, eny an-dàlana eny
'Zay misy anao, tsy ho fantatro
Lavitry y!!! ny masoko, fa akaiky ny fo
Ho ento aho anio
Dia ny ho eny an-dàlana eny
Omeo ahy izao ny ho elatro
Na dia sarotra aza ny ho eny aminao
Mba tsy ho nofy izany.

Hey! ihey! eee!!!
....

Ny kintana tsy ho diamondra
Na ny volana ho manga
Ny volamena tsy hitoetra eo an-havana
Ny nofinofiko tsy ho mety ho tò, raha tsy anilanao
Fa ny tokana ihany dia izao
Ny ho eny an-dàlana izaho sy ianao!

Izay no hany mba mamiko
Nefa moa iza no hitondra ahy ho eny...

Ref:
An-dàlana, eny an-dàlana eny
'Zay misy anao, tsy ho fantatro
Lavitry y!!! ny masoko, fa akaiky ny fo
Ho ento aho anio
Dia ny ho eny an-dàlana eny
Omeo ahy izao ny ho elatro...!!!
Hey! ihey! hey eee!!!
Na dia sarotra aza ny ho eny aminao
Mba tsy ho nofy izany.

Dia tsy ho nofy izany!
....

Na dia sarotra aza ny ho eny aminao
Dia tsy ho nofy izany.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mirado
Hits : 6529
Likes : 0 Like
Created by : nalsonrazakariasa2015
Date : 24/02/2018 12:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1436