R'ilay Anjeliko (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manimanina azy aho izany.
F’izy ilay nambabo fo
Tsy miala ato an-doha
Lasa lavitra ahy izy izay
Ka niverina ato an-doha,
Endrika kanto tokoa

Hanihany, tsiky, sangisangy
No nameno ny fo
Feno tsiky ny androko
Fa dia tena kanto izy izay
Bika tarehy ihany koa
Tsara fanahy manao soa

[chorus]
Dia ’lay tiako, ’lay niriako
’lay tato am-poko hatrizay
Dia lay foko no nitempo
Ho ahy tsisy afa tsy izy ihany,
No nataoko anjeliko
Anilako hiambina ahy
Nolazaiko, tantaraiko
Fa izy lay sady tiako no tia ahy!

[vers 2]
Navelako azy anie ny foko
Navelako anjakany
F’izaho azy irery ihany
Foiko ho anao ny amiko manontolo
Foiko avokoa r’ilay anjeliko

Hanihany, tsiky, sangisangy
No nameno ny fo
Feno tsiky ny androko
Fa dia tena kanto izy izay
Bika tarehy ihany koa
Tsara fanahy manao soa

[bridge]
Alahelo sy tomany raha izao irery ihany
Raha avelanao eto aho, fantatrao f’ijaly

Dia ilay tiako, ilay niriako
Ilay ho ato am-poko rahatrizay
Ho ato am-poko, tsy soloiko
Ho ahy tsisy afa-tsy izy ihany
No nataoko, anjeliko
Anilako hiambina ahy
Nolazaiko, tantaraiko
Fa izy sady tiako no tia ahy

Atolotra an’i miroi
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 16944
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : YASHN
Daty : 03/02/2009 11:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739