Lasa (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa tsy naharitra aho mba hitady
Ilay hasambaranao any ambadika any ho any
Ny veloma narahinao tomany
,tsy mety hadinoina hatrany anatiko any
Toa tsy haiko ny hanao veloma anao
Nandao ireto masonao nanganohano
Tsy nahatsiaro vizana aho
Raha nioty ireo vonikazonao,tany an-tany lavitra
Fa ny mody ny ho eo anilanao
,no hany fanafody hamalifaly anao
Maika ery aho ny hamakivaky irony alina mangina,
feno fahoriana
Aizina sy ny orana nandena
Hirifiry solafaka lava e
Ny fanala nitsinjo ahy aza dia
Tselatra no jiron-dalako
Nefa izany fiaretako izany,
Nafeniko ihany,tsy fantatrao
Tanisaiko ho ahy ireo izay mikiky mandratra ahy
Dia miafina mangina ao anatiko ao
Tonga sy niserana aho;
Ka dia niantso aho
Dia nipararetra feo,ka dia nanjoretra teo
Nikotaba aho nikaroka anao
Ny feoko sy ny teny mba hiverenanao
Ka ny maso ny rano mitoreo,
Nanoritra tomany nifarana teo
Fa veloma tsy fantatra intsony
Ny ho avy hitanisa handrasana hitony
Avelao aho hanao veloma anao
Hangiana samy irery tsy hahatsiaro anao
Lasa tsy nahandry anao
Nefa izao mitamberina eto indray
Rehefa tojo ny andro iray
--------
Rohy:
Hevitra
maxymus ( 10/06/2015 20:40)
Like
hery ( 10/06/2015 23:29)
Tsindrio ilay coeur raha mi-Like :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 16000
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : biz
Daty : 18/06/2007 16:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1342