You are here: home > Tononkira > Mirado

Ho averiko (Mirado)

https://tononkira.serasera.org/hira/mirado/ho-averiko-5

Namisavisa ireo andro niarahana taona maro lasa izay
Tsaroako izay vita na ny soa na ny ratsy nodiavintsika hatrizay
Dia ilay fitia no nanambatra ho iray
Nitondra hazavana, nameno fifaliana tokoa
Na sanatria fahoriana, tsy misy nifandao

Ka izao ho averiko aminao
Ny foko efa lasanao
Ka aza manahy ho averiko eto izao
Ny voady efa nomeko anao
Sanatria tsy ho rava

Nanontany tena eny aho, ho aiza no aleha
Raha tsy teo iantononkira.serasera.orgao nitantana ahy
Ilay tohim-piainako, mila anao ho eo foana
Satria efa feno loatra anao
Ny fisianao eto anilako hatrizao
Nanazava ny andro ratsy
Mandrava izay mety ho fakam-panahy
Nifameno izaho sy ianao, fo roa mitambatra

Ka izao ho averiko aminao
Ny foko efa lasanao
Ka aza manahy ho averiko eto izao
Ny voady efa nomeko anao
Sanatria tsy ho rava




Ny foko efa lasanao kaza manahy ho averiko eto izao ny voady efa nomeko anao
Sanatria tsy ho rava

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mirado
Mpamaky : 7189
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : miahyuna
Tamin'ny : 20/04/2018 15:51:14
ID : 10552

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo