Ny Fiainako (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandeha tsotra mangina, izay no safidiko
Maivana ny fahoriana, miaina ny hoaviko
Milantolanto mankafy, izay no niainako
Haravoana, tsikitsiky, ireo no akamako

Fa tiako ny ahy ny fiainako re
Tiako na tsy feno harena be
Na maloka indraindray aza izany dia
Tsy foiko, tsy soloiko izay niainako

Ianao ve tonga saina hoe tsy farahidiny
Diniho anie ireo miaina andalan-tsy fidiny
Mba zarazarao hafaliana, manampia azy oh yeah
Haravoana, tsikitsiky no mety ho tadiaviny

Fa tiako ny ahy ny fiainako...

Tiako ny ahy ny fiainako re
Tiako satria feno fitiavana be yeah
Fa tiako ny ahy ny fiainako re
Tiako satria feno fitiavana be
Hisaorako ianao, ianao, ianao
Nanohana ahy hatrany
Ny lalana nodiaviko hasambarana hatrany
Nohon'ny fisianao anilako
Anilakoo!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 817
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tsirifara
Daty : 10/11/2022 12:47
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125