Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny ankohonana (Mirado)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamy i dada sy neny sinibe mangaroaMamy koa izany zanaka vahatriny ny aina
Anjara sy aina nasilaka,narafitr'izy roa
Satria ny ankohanana mihorina soa finidy
Mamy i dada sy neny sinibe mangaroa
Mamy koa izany zanaka vahatriny ny aina
Anjara sy aina nasilaka,narafitr'izy roa
Satria ny ankohanana mihorina soa finidy
Ny velon-dray mantsy mihantahanta
Ny velon-dreny miangotingoty
Ary ny manan-joky mihanta
Ny manan-jandry miangola, dia miangola
Ny ray aman-dreny no lohasaha sy faka
Ho joro ho fototr’ireo solofo sy dimby
Ny Nahary tsitoha no ho vatolampy manjaka
Ny ankohonana mihorina soa finidy
Ny ray aman-dreny no lohasaha sy faka
Ho joro ho fototr’ireo solofo sy dimby
Ny Nahary tsitoha no ho vatolampy manjaka
Ny ankohonana mihorina soa finidy
Hasina sy hery tsy mety very
Ny anatra sy fitiavan-dray ny zanaka
Vitana tsara tefy tsy mety lefy
Ny kolokolon-ndreny manasoa ireo taranaka
Ny velon-dray mantsy mihantahanta.
Ny velon-dreny miangotingoty
Ary ny manan-joky mihanta
Ny manan-jandry miangola,dia miangola
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : MiradoVangy : 598
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : odilonfrederic1
Daty : 19/07/2024 11:58
