Vahoaka mandinika (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VAHOAKA MANDINIKA

1. DAGÔH

Saroton-kasokasoka fa ravinkazo maina
Tselarana afokasoka io de tany karankaina
Saroton-kasokasoka fa ravina efa maina
Tserana afokasoka io, tongava saina

Reo mandindy satria mahery manankarena mahay
Reo hono Jah tsy maty manota tsisy mahakasika hatrizay
Reo mangalatra ary mamono tsisy atahorany na ny iray
Reo efa ela no nanadino fa Malagasy Reny Malagasy Ray

Malagasy iray rä ireo Jah fa rajakombazaha
Mikaly hanimpitoloha ireo fa avy nandroba tantsaha
Reo hono tapitrohatra fa ny vola no maharangahy
Dia ny rangolahy sy ny vatana ary ny vata matezä

Reo efa niova ho Jah ny fijery sy ny fihevitra
Tsy tany andalapandrosoana fa tany mandroso mihemotra
Mahaolona mahanamana mahampihavana adino ô!
Be firavaka te hivavaka nefa reo tsisy mino ô!

Reo mpangarompaosy Jah reo mpamaky trano Jah
Reo mpanolana zazakely Jah very hasina sy fanahy
Tsy haiko na miresaka aminao ihany ireo indraindray
Fa raha tsy miresaka aminao ireo dia mba hiresaka aminao zay



2. ZANDRY LOVA

Izy mangoron-karena ny atsimo kere
Jiolahy tsy misaro-tava ny eto Antanan-dehibe
Mitazam-potsiny de miondrika de mandeh ny mandeh
Anjakany atrany am-ponja ny azy misy délais

(Tokotany ilalaovany elah... Madagascar)

Mitrongy vao mba homana nefa ratsy fiafara
Mety ho very anjara atrany amin'ny dimby sy fara
Indray andro samy ho tsarain'ny tantara
Raràny izahay tsy hitroatra
Tereny izahay hisaotra
Tehafiny tehamaina izahay vao hoe mitady hivoatra

Ambony feon-kira manohy tolona
Tanindrazanay tsy ekenay ho hatao sorona



REFRAIN
3. DIAMONDRA

Raha tsy hiresaka aminao ireo (Ray)
Mba hiresaka aminao aho (henoy)
Mba vonjeo ny tanindrazanay
Solontena aho anio

Raha tsy hibebaka aminao ireo (Ray)
Zah no hibebaka ho azy (avelao)
Fahotan'ireo mpitondra anay
Aza anasaziana anay



4. DOKOTERA VALY

Jah!

Teleferika mohaka no tereny hanala kohaka
Lerany basy bohaka izay bec te hikoka
Ny piti-bala rorany no ikosehanay tsikoko
Ary efa vitany didy tsikonona ao an-dapa ao koa ny koba

Nosoniaviny ny fahapotehan'ny firenena
Nongotany izay faka mifanohitra amin'ny firehany
Noferany ora vitsy ny jiro sy ny firehatrany
Naferiny ao an-dapa ao aby aby koa ny voretrany

Norapahan'ny trozona ny reziman'ireo trondro
Noratrain'ny vozona ny tandroka aron'ny zony
Te hikomy hanozona aho / forcé manompo anazy
Isan'andro mihosona aho vao kalim-borondolo / yaz

Mitetika ny hitokona?! Lotoiny
Lokoiny avy eo, pepoiny avy eo, melohiny avy eo, lakoiny
Tsy hainy fa ny vahoaka mody maty matory
Tsy hainy fa mety hikaikitra ny kivah anaty la cour



5. MBINT'S

Isan'andro entiko am-bavaka
Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka
Yah no mangataka fanavotana mba ho afaka ny devolin'ny mpangoron-karena

Mampahonena fa andihizan'ny Chinois sy Karana ny eto Antanàna
Mampanongo tena hoe zao ve sisa ny iafaran'ilay fireneko
Tsy eken'ny saiko raha ny tanindrazako manana harena izay tsy ho tanisaiko

F'efa voasera antsokosokon-dry b*tary
Vahoaka miady amin'ny kapoakam-bary
Mijalijaly nhrkxdc amin'ny tsy fandriam-pahalemana
Tsisy filaminana

Tsisy irarahian'ny mpitondra an'izay fahasahiranan'ilay gasy kely mitsipozipozy
Tsisy avenir ny papozy
Nenazy mitety an'i Dubaï, Toulouse
De isika mianakavy no mibaby trosa

Jah!!!



6. COCO MAINTY BE

Nariany ny soatoavina fa ny ravo sy ny zlcd havana tamin'ny ravi-taratasy no neverina fa hampiravina ny fiainany

Nadinony ny mifampitsinjo sy mifampitantana
Fa mifampitazam-potsiny refa misy ny lavo

Very ireo zavatra nimatimatesana sy napetrakin'ny maroholatra fahagola
Fa teny fotsiny sisa ny hoe:
"Tiako ny taniko e!"
"Tiako ny teniko e!"

Ataony tetika matetika ankehitriny ny dkll fitiavan-tanindrazana
Odiny fanina hoe ny tany anie mihangazana be

Bodony ny tanin-janaka de odiany mody mivavaka be
Gaga ny vahoaka mandinika sisin-tany mibanaka be
Nefa ny haban-tseranana ataon-dry tavany midangana be

Ny lavaka nanjary feno lalana be
Vazaha mody miady fa tsisy masahy modimandry ho an'ny fireneny ireo

Jah!!! Yah



7. SKYZO FAHIRA

Aiza ary ilay fiovana?
Aiza ary ilay fahendrena?
Sasa-miandry fahombiazana fa mijaly antanin-drazana

Firifiry amintsika ireo sahy mandalo tafika
Efa nafarana impiry fa izay vonona dia miatrika

Handrava sarotra, vorona be manan'elatra
Tsa raha mba kilaolao ny life zalah
Sao elah mihevitra

Eny eh! Tsy mandry fahalemana ny tany
Mihorohoro mitomany
Ka hanantena an'iza ary?

Hamorona ny tsy misy sa hangarika arivo lavitrisa
Ho an'ireo miaina anaty sento
Ho an'ireo te hitroatra nefa ny hery marefo

Vahoaka maro mangetaheta fiovana
Hatreto ny rivotra mitsoka mbola mitantara fahatrana

Ho an'ireo miatso vonjy voageja tsy misy fahafahana
Ho an'ireo feno ahiahy tsy misy fitsaharana

Ampanetretena no anoratako
Ho an'ilay MADAGASIKARA TANINDRAZAKO tononkira.serasera.org MALALAKO



8. ZOMBÏ

Yah

Na efa nitoetra tato amiko aza ilay fahanginana iny ary tsy foiko
Dia ianao ilay nandrafitra an'izao tontolo izao iny ihany no mahafantatra an'ireo tonom-bavaka rehetra izay efa notononiko

Androany aho hibitsika maivana aminao ampitoniana fa efa tsy andriko ny maraina faha-telo mba hiverina eny amin'ny tavany eny indray ny fifaliana

Fa tsy mitsahatra mirodana mantsy ny tontolom-pisiana
Fa ny eto mifamono, mifandrava

Avy eo samy manohy ny lalany
De miafina ao ambadikin'ny tontolo mitsaro-tava

Na andro na alina mirehatra izay rehetra tazanina
Izay rehetra nantenaina ity toa very anjavona

Nanidina izay rehetra naorina fa tsy nijanona
Masoandro takon'ila sisa andrandrain'izy ireo hitondra taram-pahazavana nefa lasa nofy

Satria efa fantatrao na efa tsy hiloa-bava aza rehefa ny masonay iny mifanojo
Fa miandry fatratra ilay tena fiainam-baovao

Efa hatramin'ny fahagola tany
Izay fa diso fantatrao ihany.
MASON'ALOKA 301 MADAGASCARIENSIS !!!

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Hits : 26
Likes : 0 Like
Created by : Fran301
Date : 20/06/2026 22:55
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0811