Baraingo midina andalana (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny omaly santatra, ny omaly pejy tantara iray mivadika.
Androany fanontaniana iray no mipetraka.
Miezaka aho mitakatra, tsy sasatra aho,
mibanjina ilay rahampitso rakotra haizina,
rako-javona, rakotra ankamantatra.

Baraingo midina andalana,
Eto ny lasa mandindona nefa mitohy ny tantara.
Eto ny lalana no misampana,
eto ny tananAo no mitantana,
eto Ianao ilay miaro tsy ho very.
fa Anao ny fanjakana, Anao ny hery.

Eo Am-pelatananao ny momba ahy rehetra:
na ny tsiky, na ny ranomason-toaka,
na ny ao antendromolotro maina,
na ny ao antendrom-po tsy miloaka ao.
Ny hoaviko atomboko eto izao, ankinina Aminao.

Baraingo midina andalana, ny omaly niandry ny androany,
ny androany miandry ny ampitso,
anaty nofy miaro tomany.
Dia ohgcrmvt ho aiza ihany?
Mandondòna ny varavaran’ny lanitra avy eto an-tany manontany.

Baraingo midina andalana,
ny tantara mitohy ampahanginana.
Anaty ny haizina miady irery,
fa lavo ny andry fiankinana.
Dia fiainana hafa sisa no hifikirana,
ny rap sisa no fy anaty fiainana miserana.

Isa maraina,
isaky ny misokatra ny maso,
dia iny aho rakitra ady sahady ao an-tsaina.
Malaindaina aho hifoha , mitaintaina, tsy sahy.
Nefa misy feo toa mibitsika ao anatiko hoe:
“Mifohaza, elah, raha lehilahy.”

Dia atraka ny loha, avokona ny tanana,
atrehina ny fiainana androany, ho toy ny isan’andro ihany.
Inona indray ary ny fandrika avelatrin’ny tany?
Inona indray ary no hanjoa?
Inona indray no sampona miandry ahy any ho any?

Dia tononkira.serasera.org mbola tsy ampy ihany ve atreto ny fitsapana
Dia mbola mitohy ihany ve ary hatraiza ny fisedrana ahy
Dia mbola caih olomeloka hatrany ny fitsarana ahy ve
Dia ho tazako eny aminy foana  ny fankahalana ahy ve ?
Sa amboarina ny saina , ekena fotsiny ihany, satria izay no antsoina hoe “miaina”.
Dia andrasana eny ihany indray ilay maraina nrcb vaovao,
fanantenana vaovao,
hoe ny diavolan-ko ho lava  MBOLA HO ELA NY LALAO
....
Baraingo midina andalana, ny omaly niandry ny androany,
ny androany miandry ny ampitso,
anaty nofy miaro tomany.
Dia ho aiza ihany?
Mandondòna ny varavaran’ny lanitra avy eto an-tany manontany.

Baraingo midina andalana,
ny tantara mitohy ampahanginana.
Anaty ny haizina miady irery,
fa lavo ny andry fihankinana.
Dia fiainana hafa sisa no hifikirana,
ny rap sisa no fy anaty fiainana miserana.

....
Hatreto ny fo no atao sorona
Enjehan'ny eritreritra
Enjehan'ny olona
Enjehan'ny fahafantarana hoe tsisy fiovana eto fa hitohy ny Tolona
Enjehin'ny fahatsiarovana, rehefa mijery ny lalana nolalovana, ny maso manganohano fadiranovana
Eo ilay mibanjina ny lanitra sady miantso ny Ray
Te hanome tsiny te hankahala azy mafy indraindray
Nefa apetrako fotsiny ao an-tsaina hoe izay Tsy nahafaty namelona
Dia androany aho olombanona ,Androany aho olom-bonona androany aho olombelona indray
Dia andrehetako ankiray ny lasa nandratra
Dona tratra ho an'ny tanjona rehetra mbola tsy tratra
Ho an'ny adidy rehetra miandry ahy
Adim-panantenana
Fiarahamonina, fianakams mbola mila ahy
Ny akama
Dia nisafidy tsotra aho hanohy ny tantatarako
Hamokona ny tanako ho anazy ho anao ary koa ho sy ny anarako hoe DAGOH

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Hits : 12
Likes : 0 Like
Created by : Fran301
Date : 09/08/2026 21:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0486