Foiko (Lucien Randrianina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza manantena fa hoe hanambitamby intsony aho
Nofy ny anao
Izay efa vita aza nanenenako

Fa izaho efa nanova fo, naleoko nandeha irery
Toy izay misy anao
Izao ny ahy ny fiainako dia tsapako ho metimety

Ovay ny fiainanao ho toy ny ahy
Fa hangaina eo ianao raha hiandry ahy
Ovay ny saina, fo, fanahy
Ovay!

Maivana ny ahy ny alaheloko anao
Asa ianao raha toa ahy
Foiko ianao
Tsy mbola ianao koa mantsy no nandrian'ny saiko

Fa ny ahy hatrizay kilalao
Ka tsy ela akory dia hadino ny anaranao
Na ny endrikao aza nanjavona tato an-tsaiko

Ovay ny fiainanao ho toy ny ahy
Fa hangaina eo ianao raha hiandry ahy
Ovay ny saina, fo, fanahy
Ovay!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lucien Randrianina
Hits : 746
Likes : 0 Like
Created by : Dahfara
Date : 30/08/2021 12:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1446