MIFANAFATRA FOANA (Kafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifanafatra xbdq foana, mifanome fotoana
Indrindra osjktfs tato ho ato
Mifanao andraso andraso

Kanefa anie impiry impiry rucfp no hita mifampitsikera
Rehefa injay mikiry
ny mba ho merisenera

Efa mba tononkira.serasera.org nitia ihany
Saingy indrisy
Tsy nahay nitia ka zary
Tsy nisy
Fo mangoraka mandefitra
Isam-baravaran'efitra

Mifampikasokasoka ,mifanakalokalo sary
Tsy mahalala vasoka,
Fa aseho miharihary

Kanefa anie sahy miamboho
Manaloka, manakom-barotra
Dia hoe marary fo
Ka tsy hananosarotra

Efa mba nitia ihany
Saingy indrisy
Tsy nahay nitia ka zary
Tsy nisy
Pitik'afo kely farany
Namelona ny anarany

Indrindra tato ho ato....
Mifanao andraso andraso

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kafa
Hits : 6733
Likes : 1 Like
Created by : rajy
Date : 05/09/2009 08:16
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0157