Inty aho (Groupe Feo mitaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Omeo hery sy finoana an, mba tena hitomban-dahy
    Hanohy ny asa fanompoana izay natombokao
   Jesosy Mpiandry tsara, fanilon-dianay
   Hitory filazantsara, inty aho, iraho

   Ref: Tsy haiko ny handà, izay voatendrinao
          Fa resy lahatra aho, Mpamonjiko Ianao
          Inty aho Jeso, te ho sakaizanao
          Hanohy hatrany hatrany, ny fiderana Anao

          Jesosy Mpiandry tsara, fanilon-dianay
          Hitory filazantsara, Inty aho, iraho

2. Efa lasana avokoa, tebiteby sy ahiahy
    Ka indro ankehitrio, ravo am-panahy
    Fa asa lehibe izao, no mbola miandry anay
    Ka aoka ny herinao, no homba sy hitahy

    Ref: Tsy haiko ny handà, izay voatendrinao
           Fa resy lahatra aho, Mpamonjiko Ianao
           Inty aho Jeso, te ho sakaizanao
           Hanohy hatrany hatrany, ny fiderana Anao

           Fa asa lehibe izao, no mbola miandry anay
           Ka aoka ny herinao, no homba sy hitahy

3. Fiadanam-be tokoa ny ao an-danitra ao
    Tsy orin-java-tsoa izay tafiditra
    Fa tery sy mideza ny làlana mankao
    Kanefa mahereza, ny Tompo homba anao

    Ref: Tsy haiko ny handà, izay voatendrinao
           Fa resy lahatra aho, Mpamonjiko Ianao
           Inty aho Jeso, te ho sakaizanao
           Hanohy hatrany hatrany, ny fiderana Anao

           Fa tery sy mideza ny làlana mankao
           Kanefa mahereza, ny Tompo homba anao

"Inty aho" Feo mitaona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe Feo mitaona
Hits : 11
Likes : 0 Like
Created by : Mharck
Date : 09/06/2026 16:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0353