TOMPO Ô! EKEKO (Groupe AGAPE Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ! ekeko ‘zany antsonoa
Antso mba ahatonga ahy ho mpanompo
Eny mba raiso raha toa ka sitrakao
Fa tena vokatry ny fo

Na tsy mendrika aza Raiko ô!
Ny atao hoe zanakao
Fa izay manantona Anao
Dia tsy ho lavinao

Indro atolotro ny foko
Fa vonona hanompo sy hanao ‘zay sitrakao (2x)

REF:
Vonona aho ny hanolo-tena
Ka hanao ny sitrakao
Ka omeo ny fahendrena
Fo madio sy vaovao
Na mahery ny devoly
Amin’izao tontolo izao
Fa tsy haninona tsy akory
Raha eo anilanao

T&F: BERNARD Richard
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe AGAPE Mahajanga
Hits : 1202
Likes : 1 Like
Created by : mamybernard
Date : 18/10/2018 10:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787