Ry mpanota mahantra (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Ry mpanota mahantra, Fantaro izao fa
Ho levona ity tany ity;
He! miantso Jesosy,
Ka mitady anao,
Miverena ianao ka modia.

Fiv :
Mitsangana ianao,
Ka modia izao,
Mba horaisin'ny Tompo tia;
Tsy mba henonao ve,
Feo mibitsika hoe:
Miverena ry ondry mania!


2 Ry mpanota mahantra, Mba saino ange,
Fa mandalo ity sitrapo;
He! miantso Jeso,
Ka mangoraka anao,
Miverena anio, ka modia!

3 Ry mpanota mahantra, Hevero ange,
Marobe fahavalo ety;
He! miantso Jeso,
Te-hiaro anao,
Sao ho lanin'ireo bibidia.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FIFOHAZANA
Hits : 1467
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 16/04/2016 14:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2685