Ranon'aina izay tena mateza (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Ranon'aina izay tena mateza
Ao an-tampon'i Kalvary;
Saro-dàlana sady mideza,
Nefa kosa tsy lavitra anao,

2
Loharano tsy mety ho ritra,
Fa mahariira mandrakizay;
Manadio ny loto rehetra;
Nefa kosa tsy lavitra Anao

3
Ny fitiavan'i Jesosy Tompo,
No manolotra io rano io
Dia ho afaka izay mampisento
Hatak'andro, tapaho anio

4
Tonga Jeso hamonjy ny maro
'Zay mibebaka ô! matokia;
Ny fanahy nirahin'ny Tompo,
Hanadio ny ota ao am-po.

Fiv
Ranon'aina tsara loatra
Mora azon'ny maniry azy re
Tsy mba eto fa any an-koatra
'Zay tafiditra ao dia tretrika tokoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FIFOHAZANA
Hits : 7611
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883