Ô mihevera (Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ô mihevera ianao, re be fialonana tsinjovy sy saino ny ampitso(ô mba mihevera ianao)
Fa aza dia sondriana, mandokandoka tena, fa manana ny fahendrena
Fa sao adinonao fa ny Tompo anie mahita ny fonao izay mihafina rehetra
Fa tsy ny vavanao, izay mitory fahendrena no hoe ahazoanao ny famonjena.
Ref : Fa raha fahendrena, fahendrena ary ve no lazaina
Fa raha fahendrena, fahendrena no dradradradraina
Hevero ny toetranareo, tsarovy ireo Fariseo
Fa madio ivelany, mamiratra imaso ihany
nefa izay mibebaka ny fahotany no ahazo ny fiainana an-danitra any.
2- Fa zovy mo ianao, hono oa ry olon'iny no sahy miteny toy izao?
(fa mba zovy mo ianao?)
No dia sahy mitsara, milaza teny maro hahameloka ny namanao
Fa adinonao angah, f'eo an-tananan'Izy Tompo ny didy sy ny fitsarany
Fa zovy mo ianao, olombelona ihany ka hoe mba hisandoka ny fahefaNy?
Ref : Fa raha fahendrena, fahendrena ary ve no lazaina
Fa raha fahendrena, fahendrena no dradradradraina
Hevero ny toetranareo, tsarovy ireo Fariseo
Fa madio ivelany, mamiratra imaso ihany
nefa izay mibebaka ny fahotany no ahazo ny fiainana an-danitra any.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF)Hits : 178
Likes : 0 Like
Created by : Mahx03
Date : 23/10/2025 13:07
