Mifankatiava tsara (Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Didy vaovao no napetrakin'ny Tompo
Mifankatiava, mifankatiava ianareo.
Izy dia nanafatra ary nanambara.
Mifankatiava, mifankatiava tsara
(miverina in-2 ny andininy 1)

Ref : Izay no hamantarako fa mpianatro ianareo
Izay no didiko ka raiso, raiso sy ekeo
Mifampizara hatrany, ny mangidy sy ny mamy
Iray aina, iray vatsy.
Toy ny iray tampo zoky sy zandry
Mifanasoa sy mifanampy
Jesoa dia nilaza, ary nanambara
Mifankatiava, mifankatiava tsara.
(Ref miverina in-2)

2- Didy vaovao no napetrak'ilay Kristy.
Mifankatiava, ianareo mpino sy mpanara-dia
Izy dia nandidy sady nanambara.
Mifankatiava, mifankatiava tsara.
(miverina in-2 andininy faha 2)

Ref : Izay no hamantarana fa ao am-ponao Jesoa Tompo
Io ilay kase sy marika ary ko porofo
Mifanohana hatrany, na tomany na mifaly
Iray aina iray vatsy.
Fa mpirahalahy, mpirahavavy, mifampatoky tsy mifandrafy
Jesoa dia nilaza, ary nanambara.
"Mifankatiava, mifankatiava tsara."
(miverina in-2 )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF)
Vangy : 310
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mahx03
Daty : 22/10/2025 10:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0738